Ankalazao ny Tompo mpanavotra.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Desambra 2023
Isaia 26.11-15
Isaia 26.11-15
11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao] 12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy. 15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.Ankalazao ny Tompo mpanavotra.
Mivavaka sy midera an’Andriamanitra ny mponina ao Joda rehetra. Azony antoka ny fanavotan’Andriamanitra azy, satria tsapany fa:
1- Ny Tompo no miady amin’ny fahavalon’ny olony
Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, rehefa miady ny firenena roa tonta dia miatrika ady koa ny andriamaniny avy, amin’ny alalan’ny olona mivavaka aminy. Ka ny fandresena sy ny faharesena dia miankina amin’ny herin’ireo andriamanitry ny firenena mpifanandrina ireo. Raha resy ny firenena iray, dia heverina fa resy koa ny andriamaniny. Izany no nahatonga ny firenen’Israely hitondra ny fiaran’ny fanekena rehefa hiantafika (Jereo 1Sam 4.1-11). Nino izy ireo fa miaro sy miady amin’ny fahavalon’ny vahoakany Andriamanitra. Manamafy izany ny tonombavaka manao hoe: « Eny, afo no handevona ny fahavalonao. » (and. 11b). Inona àry no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Rom.8.3 1 )
2- Izy no manorina fiadanana (and.13)
Avy amin’Andriamanitra no mahalavorary izay asa rehetra kasain’ny olona hotanterahina mba hahitany fiadanana sy fandriam-pahalemana eo amin’ny tany izay onenany. « Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay » (and. 12). Rehefa mandry fahalemana ny tany dia hitombo amin’ny lafiny rehetra ny fihatsaran’ny firenena, sady hahay manome voninahitra an’ Andriamanitra ,ary izany no manetsika ny olona hidera sy hanome voninahitra azy raha mivavaka hoe : « …Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. » (and.15)
Fanontaniana:
Fotoana toy inona no anantenanao ny fanavotan’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM