Ankalazao ny Mpamonjy!
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Desambra 2023
Hebreo 2. 10-18
Hebreo 2. 10-18
10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana. 11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy" 12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia] 13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18). 14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, 15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. 18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]Ankalazao ny Mpamonjy!
1- Nahafoy ny ainy Izy.
Nandao ny voninahiny i Jesoa Kristy mba hahafahany mitondra antsika, mamerina antsika ho amin’ny fihavanana amin’ Andriamanitra. Naka ny endrik’ olombelona Izy mba hahazoany mamonjy antsika. Nihatra taminy ny fahoriana, nanaiky hijaly noho ny fahotantsika lzy, nihatra taminy ny fahafatesana izay tokony ho nihatra tamintsika. Izany fanekeny ho faty izany no nahafahany nandresy ny herin’ny fahafatesana ka nitondrany ny olona ho voavonjy amin’ny fiainana ao amin’ Andriamanitra indray. Jesoa Kristy nahafoy ny ainy no làlam-pamonjena ho antsika. Koa mankalaza Azy !
2- Azo antoka ny famonjeny.
Tafasaraka tamin’Andriamanitra noho ny ota ny zanak’ olombelona. Ny fahotana no efitra mampisaraka ka tsy handraisan’ny olona ny tena fiainana. I Jesoa Kristy no Mpisoronabe tena miavaka, nanolotra ny tenany ho fanatitra teo amin’ny hazo fijaliana. Fahafatesana teo amin’ ny hazo fijaliana mandrava ny efitry ny fisarahan’ny olona tamin’Andriamanitra, eny fanatitra tokana nahatonga an’ Andriamanitra hamidrafo sy hamela ny fahotan’ny olona. Vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny famonjena antsika. Azo antoka ny famonjena satria ny Rany no nalatsaka ho fanavotana antsika. Nitsangana tamin’ny maty ihany koa Izy mba handraisantsika ny fahavelomana mandrakizay. Mankalazà Azy mandrakariva !
Fanontaniana:
Mahazo antoka ny amin ‘ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ve ianao ? Hazavao sy ifampizarao amin’ny hafa.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM