Ankalazao ny Mpamonjy!
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Desambra 2023
Isaia 29.13- 21
Isaia 29.13- 21
13 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,Ankalazao ny Mpamonjy!
1- Aoka tsy ho an-tendro molotra fotsiny ny fankalazana Azy.
Nahatsiaro ho nilamindamina ny fiainan’ny mponina tao Jerosalema, nandry fahalemana izy ireo satria Andriamanitra mihitsy no niaro sy namely ireo fahavalo nanodidina azy. Nanohy ny fombafombam-pivavahana toy ny fanaony hatrany izy ireo tamin’izany, na dia tsy vokatry ny fony aza izany, fa nijanona ho fombafomba ivelany fotsiny. Nahasarotiny an’i Jesoa nv fihatsarambelatsihin’ny Fariseo izay nanao toy izany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahan’ny olona izay tsv manatona Azy amin’ny fony na dia midera sy mankalaza Azv amin’ny molony aza izy. Izany no nahatonga Azy hilaza hoe: « Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin ‘ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony… » (and. 13)
2- Fantaro fa mahita ny miafina rehetra Andriamanitra.
Indraindray ny olombelona dia toa mihevitra fa misy toerana, na zavatra izay ataony nefa tsy hitan’ Andriamanitra, na fantany. Izany no mahatonga azy hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony, rehefa mihevitra ny tenany ho tsy misy mpahita. Ambaran’ny mpaminany anefa fa loza ny vokatr’ izany: « Lozan’izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’i Jehovah, sady ao amin ‘ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? » (and. 15). Fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra izany. Amin’ny maha -Andriamanitra Mpahary sy Mpamorona Azy dia manerana ny toerana rehetra Izy, tsy misy miafina Aminy na dia izay heverin’ny olona ho miafina indrindra aza.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny mpivavaka sasany hihatsaravelatsihy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM