ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
1 Petera 4.10-11
10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. 11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
1 Petera 4.10-11
Fifampitondran’ny samy mpino
1-Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo (and10)
2-Manome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra (and11)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM