ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Desambra 2016

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO

Jaona   11.1-5
1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny. 2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary. 3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao. 4 Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra. 5 Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

Jaona   11.1-5

Antsoy  i Jesoa  raha  misy marary

Narary  i Lazarosy  , anadahin’i Maria  sy Marta  , ka dia  naniraka olona  izy ireo  hampahafantatra an’i Jesoa  izany . Fianarana  lehibe   ho antsika  sahady izany  . Fianarana lehibe ho antsika  izany   fihetsik’izy mirahavavy izany . Rehefa misy  marary  na zava-manahirana  dia i Jesoa  no voalohany antsoina . Nilaza  i Jesoa fa  tsy hiafara  amin’ny fahafatesana  akory   izany aretina izany fa:

1-Mba hampisehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra

« …Raha  mino   hianao  dia hahita  ny Voninahitr’ Andriamanitra »

2-Ho fankalazana  ny Zanaka’ Andriamanitra

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM