ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
Nehemia 8.4-8
4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa. 5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra. 6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah. 7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. 8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Nehemia 8.4-8
Mankalazà an’ Andriamanitra
amin’ny fanompoampivavahana
1-Mitsangana ambonin’ny lampihazo ny mpamaky
2-Mihaino sy mifantoka tsara ny vahoaka (and5)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM