ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN’NY MINO

Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Desambra 2016

ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN'NY MINO

Nehemia 8.4-8
4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa. 5 Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra. 6 Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah. 7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. 8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.

ANKALAZANA NY  TOMPO NY ASAN’NY MINO

Nehemia 8.4-8

Mankalazà an’ Andriamanitra 

amin’ny fanompoampivavahana

1-Mitsangana  ambonin’ny lampihazo ny mpamaky

2-Mihaino   sy  mifantoka  tsara  ny vahoaka (and5)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

ANKASITRAHAN’ NY TOMPO NY ASAN’NY MI...

Alatsinainy, 28 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’ NY TOMPO NY ASAN’NY MINO ASA 9 .36-43 Ny mpanompo  mahatoky 1-Tsaroan’ny olona  mandrakariva…

Ankasitrahan’ny Tompo izay mitsinjo ...

Talata, 15 Novambra 2016

ANKASITRAHAN’NY TOMPO NY ASAN’NY MINO Matio 25, 33 – 40 Ankasitrahan’ny Tompo izay mitsinjo ny…

 Mahatoky amin’ny asany ny mino

Zoma, 14 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO 1 KORINTIANA 4.1-5   1-Fantaro ny maha-mpitantana anao Ny  ambara…