ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
Isaia 26.11-15
11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao] 12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy. 15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Isaia 26.11-15
Mendrika hankalazaina ny Tompo
1-Miaro ny vahoakany Izy (and11)
2-Manorina fiadanana Izy (and12)
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM