ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Desambra 2016
ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN'NY MINO
1 Korintiana 10,31 - 11,1
31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. 32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, 33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. 1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO
1 Korintiana 10.31-11,1
Ataovy ho Voninahitr’ Andriamanitra ny zavatra rehetra (and31)
Aza izay tianareo hatao no tanterahinareo , aza izay mahafinaritra anareo no arahinareo , ary aza izay mety sy tsy mahadiso anareo ihany no heverinareo . Fa na inona na inona ataonareo dia aoka ny zavatra iray loha no hokendrena , dia ny hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra . Izany no fampianarana tian’i Paoly hampîtaina ho an’ny Korintiana , sady ho antsika koa :
1-Aza manao izay hahatafitohina ny hafa (and32,33)
Tsarovy fa miara-monina amin’ny karazan’olona maro isika . Misy amin’izy ireny mbola malemy finoana ka mora tafitohina . Ny fitiavana hamonjy ireny namana ireny no tokony hibaiko ny fitondrantenantsika . Koa lanjalanjao ihany izay tokony sy tsy tokony hatao eny imason’ny olona na dia madio aza ny fieritreretanao .
2-Aoka hanahana an’i Kristy (11.1)
Sarotra ny miara-miaina sy miara-monina amin’ny olona maro , satria ny fihetsika aseho sy izay heverina fa hampandroso ny hafa dia mety hampihemotra ny sasany kosa. Kanefa ny kristiana dia tokony hanome modely halain-tahana ho an’ny olona rehetra . Ny fitondrantena tonga lafatra indrindra , izay sady manome voninahitra an’ Andriamanitra no mampandroso ny namana dia ny fanahafana an’i Kristy . Aoka hanahaka an’i Kristy isika amin’ny fitiavana sy ny fanetrentena rehetra .
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hitaomana ny mpanompo sampy ho tonga kristiana?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM