ANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NY ASAN’NY MINO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Desambra 2016
ANKALAZANA AN'ANDRIAMANITRA NY ASAN'NY MINO
1 Petera 2.11-12
11 [Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; 12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.ANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NY ASAN’NY MINO
1 Petera 2.11-12
Ahoana ny fomba hitaomana ny jentilisa hankalaza ny Tompo ?
1- Fadio ny filan’ny nofo (and11 a)
2-Mahaiza mitondra tena (and12)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM