Ankalazaina Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Desambra 2016
Salamo 8,1 - 8
1 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. 2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. 3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, 4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? 5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. 6 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony, 7 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, 8 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.

ANKALAZANA NY TOMPO NY ASAN’NY MINO

SALAMO 8.1-8

Ankalazaina Andriamanitra

1-Izy no mpamorona izao rehetra izao (and3)

Andriamanitra no mpahary izao rehetra izao dia izay mahatonga fisiana,miainga avy amin’ny tsy misy.Talanjona ny mpanao salamo mandinika izany. Tsarovy fa Andriamanitra irery no mpamorona izao rehetra izao : ny tany sy izay rehetra eo aminy , ny lanitra sy izay rehetra eo aminy . Izy irery no mpamorona . Koa mankalazà Azy .

2-Maneho ny Voninahiny ny voahary rehetra (and1

Ny teny hoe: voninahitra dia manambara ny fahalehibiazana sy fahefana,fahamboniana. Ambaran’ny mpanao salamo fa miseho amin’izay rehetra nohariany ny voninahiny amin’ny tany rehetra,amin’ny lanitra , amin’ny olombelona (and1,2,4,6,10). Aoka tsy ho zatra mahita masoandro miposaka isa-maraina sy ny volana aman-kintana aminn’y alina, ny zava-maniry sy ny zavamananaina reheytra . Maneho ny vononahitr’ Andriamanitra sy ny fahalehibiazany ireny rehetra ireny .

3-Nampanjakain’ Andriamanitra amin’ny asany ny olombelona (and6)

Izy no nanendry ny olombelona ho mpanjaka(Gen1.26).Ambony noho ny zavaboahary rehetra ny olombelona. Nataony ho eo aminy avokoa ny biby rehetra (and7,8).Miantoka ny fahavelomany ny zavatra noforonin’Andriamanitra ka anjarany ny miaro sy mikarakara azy (Gen1.28;2.15).

Fanontaniana:

Inona no azonao ambara manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM