Andriamanitry ny fanekena
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Aprily 2023
JEREMIA 31.38-40
JEREMIA 31.38-40
38 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony. 39 Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa; 40 Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.Andriamanitry ny fanekena
1-Mitondra fanarenana
« Indro avy ny andro , hoy i Jehovah ,izay hanorenanan ity tanàna ity indray ho an’i Jehovah » (and38) . Nandalo fotoan-tsarotra ireto vahoaka voafidy ireto .Novidiany lafo ny fiziriziriany manoloana ny fampitandremana sy ny fananarana nato taminy . Na dia teo aza izany dia teo hatrany Ilay Andriamanitry ny fanekena ,mpamindra fo .Manoloana ny fahababoana ,ny faharavana izay niseho tamin’ny endrika maro samihafa dia tsy mitazana fotsiny ny Tompontsika fa mitàna ny teny nomeny . Mitondra fanarenana Izy : fanarenana ny tanàna , tilikambo,vavahady (and 38) , famolaina ,lohasaha ,vavahadin-tsoavaly (and39) . Araka izany , dia tsy mitazana fotsiny ny faharavana sy ny fahapotehana ny Tompo fa mandray andraikitra araka ny teniny hoe : « indro havaoziko ny zavatra rehetra » (Apo 21.5)
2-Maneho ny heriny
« dia ho masina ho an’i Jehovah ,tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay » (Jer 31.40d).Efa nambara hatrany aloha fa ny anton’ny fanarenana dia ny fanokanana ny tanàna ho an’ny Tompo (and38) .Tsy hanankery eo intsony izany araka ny vina hitazomana ny firenentsika ho kristiana hatrany araka ny fahalehibiazan’ny Tompontsika .Mitantana antsika amin’ny fiainana maharitra Izy ary fony ho antsika ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Ilay nandresy ny fahafatesana .
Fanontaniana :
Inona no mampiavaka Ilay Andriamanitray ny fanekena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM