Andriamanitra Velona: Mendrika voninahitra sy fankalazana
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Aprily 2025
(Sal 54 / Hira 242.1,4,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira357.1,3)
Asan'ny Apostoly 14,11 - 18
11 Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona! 12 Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy] 13 Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra. 14 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe: 15 Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 16 Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa. 17 Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana. 18 Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.Efa mahafantampantatra ny momba izany fivavahana izany ihany ny olona tao anatin’ny faritra nandehanan’i Paoly sy Barnabasy hitory ny filazantsara. Rehefa nahasitrana ilay lehilahy malemy tongotra teo anatrehan’ny olona tao amin’io faritra io àry i Paoly, dia niteny ny olona hoe andriamanitra i Paoly sy Barnabasy. Niteny anefa i Paoly hoe olona ihany izy fa misy Ilay tena Andriamanitra dia ilay Andriamanitra velona:
Nahary izao tontolo izao
Ambaran’izy roalahy eto amin’ireto olona ireto fa velona Io Andriamanitra io. Ary izany velona izany dia tsy mipetraka fotsiny akory, fa miasa sy mihetsika ka manao zavatra. Izy no namorona izao zavatra àry rehetra hitan’ny mason’ny olona izao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny. Eto àry izy mirahalahy dia niezaka nandresy lahatra ireto olona ireto mba hino an’Andriamanitra Tsitoha, izay Mpahary izao tontolo izao. Manana fahefana tsy misy tahaka Azy io Andriamanitra io.
Mitahy ny firenena io Andriamanitra velona io.
Isan’ny zava-boary noforonin’Andriamanitra ny olombelona, ary raha ny marina dia navahan’Andriamanitra mihitsy, ka tsy mitovy tanteraka amin’ny zava-boahary hafa rehetra izy (cf Gen 2. 28; Sal 8. 4-6). Asehon’i fampianaran-dry Paoly eto fa io Andriamanitra io no mitondra ny làlan’ny olona amin’izay tiany haleha.
Mendrika homem-boninahitra sy hankalazaina Izy
Eo anatrehan’izany dia tsy olona tahaķa an’i Paoly sy i Barnabasy akory no homem-boninahitra fa io Andriamanitra velona io, ka tsy maintsy miomana ho amin’izany ny olona.
Fanontaniana:
Iza no tena mendrika homem-boninahitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe