Andriamanitra tsy miova

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Janoary 2022

Isaia 46. 3 - 7

Isaia 46. 3 - 7
3 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.

Andriamanitra tsy miova

1- Mitondra fa tsy entina

« Izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka » (and.3b)

Resin’ny Babylonianina ny firenen’i Joda ka nobaboiny. Rehefa babo izy ireo dia nihevitra fa mahery ny andriamanitry ny Babylonianina. Tamin’izany no nampahatsiahivan’ny mpaminany indray fa tsy miova Jehovah fa mitondra ny fiainan’ny vahoakany hatrany. Raha izany, tsy Andriamanitra entin-tanana sy karakaraina akory ny Andrianamanitry ny mpino Kristiana fa Andriamanitra mitondra. Koa matokia ny fitondran’Andriamanitra ny fiainanao sy ny heriny, na dia amin’ny sarotra aza, fa Izy no miahy anao. Ary efa niseho tao amin’i Jesoa Kristy izany herin’Andriamanitra izany tamin’ny nitondrany ny aretintsika sy ny nivesarany ny fahotantsika.

2- Mpanafaka fa tsy afahana

« Eny, Izaho no hitondra sy hanafaka . » (and. 4d)

Manamafy indray Jehovah Andriamanitra eto fa ny fitondrany ny fiainan’ny vahoakany dia mitarika ho amin’ny fanafahana. Izany hoe, Andriamanitra afaka mihaino ny fitarainan’ny vahoakany ka manafaka azy, fa tsy mba tahaka ny andriamanitra sampy, izay voalaza eto fa na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ny fahoriana (and. 7). Araka izany, Jehovah Andriamanitra irery ihany no Mpanafaka satria Andriamanitra velona Izy, ka mihaino izay rehetra mitaraina Aminy. Ary ho valin’ny fitarainantsika dia nomeny I Jesoa Kristy Zanany ho Mpamonjy sy Mpanafaka antsika.

Fanontaniana:

Ahoana no fahatsapanao ny fitondran’Andriamanitra sy ny fanafahany anao teo amin’ny fiainanao ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM