Andriamanitra Tompon’ny voninahitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Janoary 2020

ROMANA 16.25-27

ROMANA 16.25-27
25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, 26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, 27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.

Andriamanitra Tompon’ny voninahitra

1-Mampiorina mafy amin’ny finoana

Ambaran’i Paoly fa « mahay mampahery » Andriamanitra , izany hoe : mahay mampiorina mafy , mahay mitana mafy tsy hihozongozonin’ny finoana , fa mba hahajoro tsara. Izany fampaherezana izany dia araka ny Filazantsara , izay tsy iza fa i Jesoa Kristy . Izany hoe: ny fandrenesana ny Filazantsara no fitaovana ampiasain’Andriamanitra hampiorenana ny finoan’ny mpino , ny fandrenesana an’i Kristy toriana no itomboan’ny finoana ihany koa , ary hananany faka ka tsy hampihozongozona azy. Mazotoa mihaino toriteny isika , ary mazotoa koa anefa manambara an’i Jesoa tahaka izany nataon’i Paoly .

2-Mitady ny olona rehetra ho vonjena (and26,27)

Efa naseho ankehitriny ny zava-miafina , ka nampahafantarina ny firenena rehetra hahatonga ny fanekena ny finoana , hoy i Paoly raha manohy ny teniny . Asehony amin’izany fa tsy navela ho manjavozavo intsony izay nambaran’ny fanekena taloha , tsy navelan’Andriamanitra ho zava-miafina intsony fa naharihary ao amin’i Kristy . Ny tanjon’Andriamanitra amin’izany dia ny hahatonga ny olona rehefa hino , ary izay rehetra mino no mahazo famonjena , satria tia antsika ny Tompo dia efa ataony ny fomba hamonjena antsika ny fomba hampiorenana ny finoantsika . Anjarantsika ny miaina amin’izany .

Fanontaniana:

Inona re no mety mahatonga ny olona tsy hahatsiaro fa isan’izay tena tian’ Andriamanitra hovonjena izy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM