Andriamanitra no Tompon’ny fahefana rehetra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Mey 2021
2 MPANJAKA 2.9-14
2 MPANJAKA 2.9-14
9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy. 10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. 11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra. 12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa. 13 Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana. 14 Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.Andriamanitra no Tompon’ny fahefana rehetra
Ny tantaran’ny niakaran’i Elia ho any an-danitra no Soratra Masina ho antsika anio.
1-Nampiakatra an’i Elia mpanompony Izy
Tsy nanaiky ny hisaraka tamin’i Elia i Elisa mandra-pahitany ny nampiakarana azy . Tsy nahafoy an’i Elia izy , satria nanamarika ny androm-piainany loatra ny fifandraisany tamin’iElia Mpaminany . Anisan’ireo mpiara-dia akaiky tamin’i Elia izy. Hita fa tena mafy taminy ny fisarahana , saingy tsy nisy azony natao hanakanana izany .Tao anatin’ny tafio-drivotra no nampakarana an’i Elia ho any an-danitra.Nigogogogo sady nisaona izy . Mafy taminy ny fandaozan’i Elia azy ka niteraka fihetseham-po sy alahelo lalina . Soa fa teo ny Tompo , nanome azy ny Fanahy izay tao amin’i Elia ka dia nahery izy , ary afaka niatrika indray ny fitarihana ny vahoaka handimby an’i Elia. Ny Tompo dia tsy mba mandao fa mampitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina mba hampahery sy hampionona antsika .
2-Nanome ny Fanahiny Izy mba hampahery an’i Elisa
Teo amin’ny fotoana farany indrindra dia nasainy nangataka izay zavatra tian’i Elia hatao aminy i Elisa . Ny anjaran-droa amin’ny fanahin’i Elia no nangatahiny . Hita araka izany fa fanirian’i Elisa ny hahavita ny asan’Andriamanitra tahaka izay nataon’i Elia . Eny , ny hahavita be mihoatra azy aza. Nambaran’i Elia kosa fa Andriamanitra irery no afaka hanome izany . Neken’Andriamanitra ny fangatahany ka nahavita fahagagana toa an’i Elia izy. Ny Fanahy Masina no fanomezana tsara indrindra hahavitana ny asa izay napetrak’Andriamanitra . Izay rehetra maniry hahavita be amin’ny asan’Andriamanitra dia aoka hangataka izany amin’ny alalan’i Jesoa kristy .
Fanontaniana :
Inona ny maha-zava-dehibe ny andro niakarana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM