Andriamanitra Mpiandry ny Olony

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Febroary 2025

Sal 23 / HF48 / Mofonaina / Hira 548:1

Isaia 40,9 - 11
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema] 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.

Andriamanitra mampahery ny olona no hita amin’izao mofonaina izao ka ilazany fa ho avy Izy amin’ny heriny hamonjy azy ireo ka miseho ho toy ny Mpiandry ny Isiraely:

Tonga lavitra an’Andriamanitra ireto vahoaka ireto vokatry ny fandikany ny didy voalohany tamin’ny nanompoany andriamanitra hafa ka nahalasa ho babo azy ireo tany Babylona. Sady lavitra an’Andriamanitra amin’ny lafiny ara-panahy no lavitra ara-toerana satria tsy ao Jerosalema intsony. Ankehitriny dia mitondra teny soa mahafaly fa vita ny adiny ary voavela ny helony (And.1). Ny famelan’ Andriamanitra ny helok’izy ireo no fiatombohan’ny fanangonany ireto vahoakany. Haneho ny heriny amin’ny maha Andriamanitra azy Izy ka ho tafaverina avokoa izay sisa.

Jesoa Kristy ilay Mpiandry tsara nandatsaka ny rany mba hamonjena ny olona rehetra. «Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken ‘ny ran’i Kristy » (Efe.2, 13)

Asehon’Andriamanitra mandritra izany fanangonana izany ny fomba itantanany ireo vahoaka hiverina ao Aminy indray. Hampatsiahiviny fa ilay sandriny mahery nitondrana azy ireo nivoaka tany Egypta no mbola hitrotroany ireo mbola kely hery, « zanak’ondry » (And.11b) eo an-tratrany hiala any am-pahababoana. Maneho fiarovana lafatra izany satria tsy misy maharombaka ny eo an-tanany. Ny zanak’ondry mbola minono (And. 11b), marefo ary tsy maintsy kenakenaina, dia ho entiny miadana. Jesoa dia nijery manokana ireo mila vonjy.

Efa ao anatin’ny valan’ondrin’Andriamanitra ve ianao?