Andriamanitra Mpiady Mahery ny Andriamanitsika (and 6-7)

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Jona 2024

2 Mpanjaka 19.1-7

2 Mpanjaka 19.1-7
1 [Ny amin'ny namonjena an'i Jerosalema, sy ny nandringanana ny miaramilan'i Sankeriba, mbamin'ny nahafatesan'ny tenany] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah, 2 Ary izy naniraka an'i Eliatima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy. 4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa. 5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka. 6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy. 7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.

Andriamanitra Mpiady Mahery ny Andriamanitsika (and 6-7)

Tamin’ izany, dia nahery sy natanjaka aok’izany ny firenena Asyriana. Sankeriba no mpanjaka tao. Tsy nisy firenena izay sahy nanohitra azy ka tsy nomontsaniny. Zatran’ izany fandresena matetika izany izy ireo ka sahy nihaika ny firenena Joda, izay Hezekia no mpanjaka tao. Ity farany anefa dia mpanjaka natoky an’i Jehovah, ka raha vao nahare ny fihaikana nataon’i Sankeriba dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana, ka lasa niditra tao an-tranon’i Jehovah, ary nampaniraka olona ho any amin’i Isaia mpaminany hanontany ny hevitr’i Jehovah Andriamaniny. Fantany mantsy fa fahavalo mahery tokoa ity firenena ity araka izay efa hitany. Endrey, ry havana, izany hatsaran’ny fihetsika nasehon’ity mpanjaka ity, fa manoloana ny fanahiana sy ny tahotra; dia manetry tena ka mivavaka tany an- tranon’ Andriamanitra no nataony. Ary miandry ny toro-mariky ny Andriamaniny izay entin’ny mpaminaniny. Ny vokany, teny mamy milaza fandresena! Ary dia izay tokoa no nitranga. Mahagaga tokoa mantsy fa tsy nila niady akory ny miaramila, tsy nisy fifandonana akory tamin’ireo samy miaramila, fa nataon’ Andriamanitra nahare siosio fotsiny izy dia niverina tany an- taniny; ary tany no lavon-tsabatra. Ary ireo miaramilan’i Sankeriba 185000 isa kosa maty naringan’ny anjelin’ Andriamanitra (and 35). Andriamanitry ny tafika Jehovah. Andriamanitra mpiady mahery. Ankoatr’izany, ny fomba fiadiny dia mandefa siosio fotsiny dia efa ampy hampandositra ny fahavalo. Hoy ny teny ao amin’ny Eksodosy 15.3 « Jehovah dia mpiady mahery« . Jehovah miady ho antsika. Mahereza!

Fanontaniana

Efa nisy teo amin’ny fiainanao ve nahatsiarovanao ny fisian’izany anjely mamonjy ny olon’Andriamanitra ety an-tany izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe