Andriamanitra Mpanavotra…

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Septambra 2024

Salamo 116. 1-11

Salamo 116. 1-11
1 [Fisaorana nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy. 2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. 3 Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola] 4 Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah Ă´, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. 5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika. 6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. 7 Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, 8 Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana. 9 Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho. 10 Nino aho; hiteny tokoa aho*; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho] 11 Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.

Andriamanitra Mpanavotra…

1- Mpihaino vavaka

<< Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy >>(and 1). Fijoroana vavolombelona no hita eto. Ambara fa ny Tompo dia manan-tsofina afaka mihaino ka mandre ny fifonanana sy ny fitarainana. Sambatra isika manana an’i Jesoa izay mipetraka eo ankavanan’ny Ray, mifona sy mivavaka ho antsika (Rom 8, 34). Mazotoa Ă ry miresaka amin’ny Tompontsika. Aza misalasala, mijoroa ho vavolombelona amin’ny valim-bavaka maro izay omeny. Ambarao amin’ny Tompo ny fitiavanao.

2- Mpamindra fo sy Mpiantra.

« Mamindra fo sy miantra Jehovah »; Eny, miantra ny Andriamanintsika »(and 5). Be fitiavana ny Tompontsika. Rehefa manetry tena eo anatrehany isika ka miaiky heloka, mangataka famelana Aminy dia mamindra fo sy miantra Izy. Noho i Jesoa Kristy, Ilay avotra noho ny fahotantsika, dia mihaino sy mamindra fo ny Tompo. Aoka tsy hararaotina atao fahazarana io famelan- keloka atolony io. Mitondra fahafahana sy fahasitranana ny famindrampony.

3- Mpiaro sy Mpamonjy ary Mpampahery

« Reraka aho, dia namonjy ahy Izy » (and 6b): Tafalatsaka tao anatin’ny harerahana tanteraka ny mpanoratra eto. Efa nanakaiky ny fahafatesana. Tsy ampy niatrehana ny zava-misy intsony ny heriny samirery manoloana ny adin-tsaina sy adim-panahy nahazo azy. Soa ihany fa misy Tompo azo itarainana, Izay mahita sy mahalala nĂ˝ zava-misy marina. Hoy ny Tompo hoe: « Antsoy Aho dia hovaliako lanao » (Jer33,3). Apetraho Aminy Ă ry ny fanahiantsika rehetra.

Fanontaniana:

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe