Andriamanitra Mpahary ,manarina indray ny efa rava

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Janoary 2023

EZEKIELA 36.33-38

EZEKIELA 36.33-38
33 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava. 34 Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy. 35 Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; 36 ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany. 37 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony. 38 Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

Andriamanitra Mpahary ,manarina indray ny efa rava

1- Fanarenana miatomboka amin’ny famelankeloka

Izao Ezekiela 36 izao dia mampahatsiaro indray fa noho ny fahotan’ny zanak’Israely no nahatonga faharavana teo amin’ny tany sy naha-lasan-ko babo azy ireo fa tsy avy amin’Andriamanitra tsy akory (and7) . Ary dia mbola ambaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminany eto koafa tsy noho ny fahamendrehany no nahazoan’izy ireo izany fanarenana ny faharavana izany (and 32).Araka izany dia ilaina tokoa ny fanarenana ny rava sy fanafahana ny babo,saingy tsy tena ho tanteraka izany raha tsy misy aloha ny famelankeloka tahaka izay ambaran’ny Soratra masina eto hoe ; « Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ny tanana ary haorina indray ny efa rava « 

.2-Fanarenana nitondra loharanom-pitahiana

Manomboka eo amin`ny and.34 ka hatramin`ny farany,dia asehon`izao Soratra Masina izao ny fitahian`Andriamanitra miantoka ny tena fiadanana sy fahafenoana eo amin`ny Zanak`Isiraely. Ary misongadina ao anatin`izany fa hatramin`ireo jentilisa aza dia hahafantatra sy hanaiky fa Izy Andriamanitra tokoa no loharanon`ny soa’

Fanontaniana :

Hatreto inona no fanarenana nentin`ny Tenin’Andriamanitra taminao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

ZEKIELA 36.33-38

Andriamanitra Mpahary ,manarina indray
ny efa rava

1- Fanarenana miatomboka amin’ny famelankeloka

Izao Ezekiela 36 izao dia mampahatsiaro indray fa noho ny fahotan’ny
zanak’Israely no nahatonga faharavana teo amin’ny tany sy naha-lasan-ko babo
azy ireo fa tsy avy amin’Andriamanitra tsy akory (and7) . Ary dia mbola
ambaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminany eto koafa tsy noho ny
fahamendrehany no nahazoan’izy ireo izany fanarenana ny faharavana izany (and
32).Araka izany dia ilaina tokoa ny fanarenana ny rava sy fanafahana ny
babo,saingy tsy tena ho tanteraka izany raha tsy misy aloha ny famelankeloka
tahaka izay ambaran’ny Soratra masina eto hoe ; « Amin’ny andro hanadiovako
anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ny
tanana ary haorina indray ny efa rava « ,izay mariky ny fahasoavan`Andriamanitra
rahateo.

2.Fanarenana nitondra loharanom-pitahiana

Manomboka eo amin`ny and.34 ka hatramin`ny farany,dia asehon`izao Soratra
Masina izao ny fitahian`Andriamanitra miantoka ny tena fiadanana sy fahafenoana
eo amin`ny Zanak`Isiraely.Ary misongadina ao anatin`izany fa hatramin`ireo
jentilisa aza dia hahafantatra sy hanaiky fa Izy Andriamanitra tokoa no
loharanon`ny soa rehetra ho an`ny olony,ka ny Teniny  sy ny asany no mahatanteraka izany eo amin`izy
ireo. »Izaho Jehovah no niteny,sadyhahatanteraka ».

Fanontaniana :

Hatreto inona no fanarenana nentin`ny Tenin’Andriamanitra taminao ?