Andriamanitra Mpahary

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Janoary 2023
Asan'ny Apostoly 17,22 - 31
22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. 23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, 24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, 25 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; 26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; 28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika. 29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona. 30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, 31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.

Andriamanitra Mpahary

1- Mifandray amin’ny Jentilisa

Fatra-pivavaka tokoa ny vahoaka Grika tranainy ary nanana ny fiheverany manokana ny momba an’Andriamanitra ,izay tsy voatery hifanandrify amin’ny fiheverana kristiana .Olona nivavaka sy nanompo karazan’andriamanitra maro izy ireo ,araka izao Soratra Masina izao . Ary na dia Ilay Andriamanitra Mpahary aza dia tsy isan’ireo izay nivavahany araka ny tokony ho izy ,sady tsy fantany rahateo .Hita eto anefa fa tsy nahasakana an’Andriamanitra tsy hamboly ny fifandraisana amin’izy ireo izany toe-javatra izany . I Paoly Apostoly no fantsom-pmonjena nampitan’Andriamanitra ny hafatra ho azy ireo .

2-Mankasitraka ny fibebahana

« …fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » .Izany tokoa no fahamarinana sy antso avo ataon’Andriamanitra amin’izao tontolo izao .Efa nanao ezaka rehetra hanatonan ‘ izao tontolo izao izay nihataka taminy Izy , indrindra tamin’ny alalan’ny « lehilahy voatendriny  » , dia i Jesoa Kristy Tompo . Koa ny fibebahana ankasitrahan’Andriamanitra sy andrasany amintsika dia ny fialana amin’ny tsy fahafantarana Azy na ny fiheverana Azy ho tsy misy sy ny fanompoana andriamanin-kafa isan-karazany . Asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany amin’ny finiavany tsy hijery intsony ny lasantsika fa mamela heloka Izy rehefa mibebaka isika .

Fanontaniana :

Inona avy no mety hisakana ny olona tsy hanatona an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM