Andriamanitra Mpahary
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Janoary 2024
Salamo 19. 1-6
Salamo 19. 1-6
1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. 2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. 3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony] 4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony] 5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy. 6 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
Andriamanitra Mpahary
« Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany » (and. 1). Ny fahatsaran’ny lanitra dia manetsika tsy mitsahatra ny vavaka ao amin’ny bokin’ny Salamo 29, 93, 104. Eto dia nasiana tsindrim-peo manokana momba ny fanadihadiana izany. Maneho ny voninahitr’Andriamanitra tsy ankitsahatra ny lanitra, ary ny habakabaka maneho ny asan’Andriamanitra. Izay olona rehetra mandinika ny lanitra, dia mahita ny fahalehibeazan’ny voninahitr’Andriamanitra. Ary raha te-hahita ny voninahitr’ Andriamanitra ny olona, dia mijery ny zava-boahary izay noharian’ Andriamanitra, satria haneho ny voninahitr’Andriamanitra no antom-pisian’ireny. Mihoatra lavitra noho izany, Jesoa Kristy no voninahitr’Andriamanitra.
« Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany, sady mifaly » (and. 5). Zava-boarin’Andriamanitra ny masoandro, sady manompo an’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Salamo ity, dia nisy firenena nivavaka tamin’ny masoandro. Taty aoriana, dia naka tahaka izany ihany koa ny lsiraely ka nivavaka tamin’ny masoandro. Mamerina ny vahoaka ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izao Salamo izao. Toy izany koa isika ankehitriny, aoka ho llay Andriamanitra Mpahary no anaterana fiderana sy fivavahana fa tsy ilay voahary nataon’Andriamanitra hidera Azy. Koa satria zava-boaharin’Andriamạnitra isika, dia nohariany hanome voninahitra
amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba entinao midera an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM