Andriamanitra mizaha toetra ny olona

Mofonaina anio: Talata, faha 13 Oktobra 2020

GENESISY 22.1-14

GENESISY 22.1-14
1 [Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. 2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. 3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy, 4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany ter? lavitra er?. 5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hanker?; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. 6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. 7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? 8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. 9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany. 14 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.

Andriamanitra mizaha toetra ny olona

1-Mamantatra ny fahatokiany Azy

« hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra hianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao » (and12b).

Nangatahin’Andriamanitra hatao fanatitra ho Azy Isaka ,zanak’i Abrahama. Natoky an’Andriamanitra i Abrahama ka nanaiky izany hatramin’ny farany : nifoha maraina ,niainga , nanorina alitara , namatotra an’Isaka , naninjitra ny tànany … Ireo fihetsika rehetra nataon’i Abrahama ireo no nahatonga an’ Andriamanitra ho resy lahatra tamin’ny fahatokian’i Abrahama Azy . Rehefa asehon’ny olona amin’ny fihetsika sy ny ataony rehetra ny baikon’Andriamanitra taminy , dia ho resy lahatra Andriamanitra fa matahotra Azy izany olona izany . Koa tanteraho amin’ny fahatokiana Azy ny baikon’Andriamanitra , na dia mafy aza izany , dia ho resy lahatra amin’ny fahatokianao Azy Izy .

2-Manitsy ny fomba fiainana ny finoana

« Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy , ary aza maninona azy akory hianao » (and12a) .

Fanao teo amin’ny firenena Fenisiana , Moabita , Amonita ny « fanatitra olona » tamin’izany . Mandefa ny zanany mamaky ny afo no filazan’ny Soratra Masina azy matetika , izay nandraran’ Andriamanitra mafy ny Israely . Izao fandrarana tsy hamoniana an’Isaka izao dia midika fa Andriamanitra manafoana ny fanatitra olona ary mankasitraka ny fanatitra avy ao anatin’ny olona , dia ny fahatokiana Azy izany . Ka ny fanoloran-janaka dia fampanekena sy fanokanana azy hatoky an’Andriamanitra mandritry ny androny rehetra . Koa atolory sy atokany ho an’Andriamanitra , hanana finoana an’i Jesoa Kristy ny zanakao fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao rehefa tojo fizahantoetra mahamay?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM