Andriamanitra mitsara ny olona
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Oktobra 2025
Sal. 67. 3. 4 / Hira 39. 1, 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 29
Isaia 66,18 - 24
18 Fa Izaho dia hamaly* ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala] 19 Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia*, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda] 20 Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah; 21 Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah. 22 Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. 23 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah. 24 Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.Isaia 66. 18-24
Andriamanitra mitsara ny olona
1- Maniraka mpitory filazantsara
«… Ary hitory ny voninahitro any amin’ny jentilisa izy. » (And. 19)
Rehefa nanota ny Jiosy, izay vahoaka voafidy, dia hitsara azy ireo Andriamanitra. Misy ho faty amin’izy ireo ary misy ho afa-mandositra. Ireo afa-madositra dia hitory ny voninahitra sy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa. Dia ho voangona hanompo an’i Jehovah ny Jentilisa. Araka izany, ny fitsaran’Andriamanitra ny olona nofidiany dia lalana misokatra ahafahan’ny Jentilisa mandre ny Filazantsara, hahazoan’izy ireo manatona an’Andriamanitra. Mampiombona ny Jentilisa amin’Andriamanitra ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.
2- Mifidy mpisorona avy amin’ny jentilisa
«…Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah. » (And. 21)
Tsy misy afaka manao ny asan’ny mpisorona toa amin’ny Isiraely afa-tsy ny avy amin’ny taranak’i Arona. Eto anefa dia haka mpisorona avy amin’ny Jentilisa Andriamanitra. Fanavaozana lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fomba fanompoana Azy izany. Andriamanitra dia te-hitondra famonjena ho an’ny firenena rehetra, ka manao izay fomba rehetra hahaozoana manatona Azy. Fitiavany ny olona rehetra no mahatonga izany, sady manamora ny fanitarana ny fitoriana ny Filazantsara hahatonga izany hipaka amin’ny rehetra.
Fanontaniana:
Inona mahatonga ny olona miandry fitsaran’ Andriamanitra vao manao ny asan Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe