Andriamanitra mitsara ny olona
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Martsa 2025
2 Mpanjaka 17.6-13
2 Mpanjaka 17.6-13
6 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana. 7 Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy 8 ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely. 9 Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda. 10 Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy; 11 ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an'i Jehovah. 12 Fa nanompo sampy, izay nandraran'i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo. 13 Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.Andriamanitra mitsara ny olona
1, Rehefa manadino ny fitondrany
«…Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta ho afaka tamin’ny tànan’i Farao… » (And. 7)
Hosea no mpanjaka farany tao Samaria, fanjakana avaratra. Rehefa niakatra hanafika azy ny mpanjakan’i Asyria dia nifampiraharaha taminy Hosea ka nandoa hetra taminy. Nikasa tsy handoa hetra tamin’i Asyria izy ka nila vonjy tamin’i Egypta fa tsy tamin’Andriamanitra. Tezitra Andriamanitra ka nandefa Asyriana handrava an’i Samaria. Manoloana ny zava-tsarotra tsy maintsy antrehina dia mila matoky ny herin’Andriamanitra. Aza mitoky amin’ny herin’olombelona fa ny herin’Andriamanitra izay efa nanome an’i Jesoa Kristy Mpandresy sy mampandresy antsika.
2, Rehefa manompo sampy
«Fa nanompo sampy, izay nandraran’i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo. » (And. 12)
Niala tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah ny Isiraely, tao amin’ny fanjakana avaratra, fa nanao tsangan-tsampy sy nanompo ny aseraha entina manakona ny anaran’i Jehovah, nanao fanatitra ho an’ny sampy teny amin’ny fitoerana avo izy ireo. Natahotra andriamani-kafa izy ireo. Tezitra tamin’izy ireo Jehovah Andriamanitra. Rehefa miala amin’ny fankatoavana sy fanompoana an’i Jehovah ny olona, Andriamanitra mandefa fahavalo hanisy ratsy azy. Koa tandremo ny fanompoan-tsampy, mialà amin’izany fa matokia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, avy amin’Andriamanitra.
Fanontaniana
Inona avy ireo sampy tokony ialanao ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe