Andriamanitra mitaona ny olona hiverina Aminy

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Martsa 2025

Ezekiela 18.27-32

Ezekiela 18.27-32
27 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny. 28 Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. 29 Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb. lalana] 30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. 31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.

« Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah Tompo. » (And. 30)

Nanao izay ratsy teo anatrehan’i Jehovah ny vahoakany. Ny fisainana tamin’izany: raha ny ray no manao ratsy dia ny taranany no mizaka ny fitsaran’Andriamanitra. Nambaran’ny Tompo fa samy mizaka ny famaizana vokatry ny fahadisoana vitany teo anatrehan’Andriamanitra ny olona tsirairay. Ataon’Andriamanitra izany mba hampiverina ny olona amin’ny finoana an’i Jesoa ka hiala amin’ny ratsy fanaony. Andriamanitra marina amin’ny fitondrany sy ny fitsarany ny vahoakany ny Tompo.

«ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’lsiraely? » (And. 31)

Taomina hanana fo vaovao sy fanahy vaovao ny vahoaka eto. Ny fananana fo vaovao sy fanahy vaovao dia midika ho fiovan-toetra hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. ary ny fanekena hiova toetra dia midika ho fisafidianana fiainana sy fahavelomana. Antson’ Andriamanitra mitaona ny mpanota hiverina amin’ Andriamanitra ka hanana toetra sy fomba fiainana mifanaraka amin’ny sitrapony izany. Ka ny fiverenana amin’Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Kristy izay mahay manavao sy manome fiainam-baovao ho an’izay rehetra mibebaka. Ao amin’i Kristy irery ihany no ananantsika fiainam-baovao.

Inona ny fiheveran-diso mampifikitra amin’ny ratsy?