Andriamanitra mifidy olona
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Jolay 2023
ASAN'NY APOSTOLY 9.10-18
ASAN'NY APOSTOLY 9.10-18
10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. 11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; 12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. 13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. 14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; 16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. 17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. 18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;Andriamanitra mifidy olona
« Fa hoy ny Tompo taminy .Mandehana fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako... »(and15) . Rehefa nisalasala sy natahotra ho any amin’i Saoly hametra-tanana sy hampahiratra ny masony i Ananiasy dia nanery azy ny Tompo. Marihina mantsy fa i Saoly dia karazan’olona izay tsy ho resy lahatra amin’ny alalan’ny toriteny mahazatra. Noho ny fahasoavana sy fifidianan’Andriamanitra anefa dia nofidin’Andriamanitra i Saoly. Rehefa tsy mety resy lahatry ny fifidianan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny ny olona; amin’ny fahefana sy ny heriny kosa no anehoan’ Andriamanitra ny fiantsoany sy fifidianany. Ary izay no mahatonga antsika mahita amin’ny fotoana sasany, toa nalain’i Jesoa Kristy ankeriny ny fifidianana ny olona sasany.
«Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy, … mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. » (and. 17). Rehefa tonga tany amin’i Saoly i Ananiasy dia nametra-tanana taminy ary dia nahiratra ny masony sady feno ny Fanahy Masina izy. Mitondra fanasitranana sy andraisana ny Fanahy Masina ny fametrahan-tanana. Noho izany, tsy mandeha irery ny olom-boafidin’ Andriamanitra fa omeny ny Fanahy Masina hiara-hiasa aminy. Ary tsy izany ihany fa mitondra fahasitranana ara-batana ihany koa ny fandraisana fametrahan-tanana. Sady mitondra fahasitranana ara-batana, no andraisan’ny olom-boafidin’ Andriamanitra ny Fanahy Masina ny fametrahan-tanana. Koa aza misalasala mandray fametrahan-tanana fa mitondra fanasitranana sy andraisana ny Fanahin’i Kristy izany.
Ahoana ny fomba nifidianan’Andriamanitra anao?