Andriamanitra miaro ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Novambra 2020
Salamo 121,1 - 8
1 [Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy] 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. 5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. 6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Andriamanitra miaro ny Tompo

Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra . Asa soratra fanehoam-pahatokiana an’Andriamanitra koa izy , toy izay hitantsika eto . Matoky an’Andriamanitra ny mpanao Salamo  noho Izy :

1-Miaro amin’ny ratsy rehetra (and 7)

Tsy maharo tena isika olombelona amin’ny maha-olombelona antsika . Tsy manana  hery ho enti-miaro tena , ary  tena tsy  mahay  miaro  tena mihitsy  . Arovan’Andriamanitra  amin’ny ratsy   ny mino , amin’ny karazan-dratsy  mety mpahazo  ny olona , fa tena  arovan’Andriamanitra amin’ilay ratsy  sy amin’ny mpanao ratsy koa .

2-Miaro  amin’ny fotoana rehetra (and 6,8)

Amin’ny alina dia arovan’ Andriamanitra ny mino  . Amin’ny atoandro  dia arovan’Andriamanitra ny mino . Amin’izao fotoana ankehitriny izao   ka ho mandrakizay . Tsy misy  fotoana ka hoe : tsy  miaro   ny mino Andriamanitra rehefa tsara fifandraisana Aminy isika . Hoy I Jesoa : “ Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny  fahataperan’izao tontolo izao “ (Mat 28.20)

3-Miaro amin’ny toerana rehetra (and 8)

Ny hoe : mivoaka sy miditra dia enti-milaza toerana roa misy ny mino . Ny mivoaka dia ho enti-milaza ny toeram-piasana na toerana ivelan’ny tokantrano  . Ny miditra kosa dia ho enti-maneho  ny ao an-tokantrano . Koa na aiza na aiza toerana  misy ny mino  dia miaro  azy Andriamanitra . Amin’ny  toerana rehetra tokoa mantsy  Andriamanitra , araka izany dia miaro  amin’ny toerana rehetra Izy .

Fanontaniana :

Inona avy  no fantatrao  amin’izay maha- izy Azy ny Tompo ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE  FJKM