Andriamanitra miahy
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Septambra 2021
1 KORINTIANA 10.1-5
1 KORINTIANA 10.1-5
1 [Fananarana fandrao misy manaram-po araka ny nofo ka tratry ny loza] Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, 2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, 3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, 4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.Andriamanitra miahy
1-Miara-dàlana amin’ny mpanompony
Ny zanak’Israely no nentin’i Paoly nananatra ny Korintiana, satria tonga tanàna feno fahavetavetana i Korinto . Noho izany dia mitarika ny olona hanana fifehezantena iPaoly . Raha nivezivezy tany anefitra ny Zanak’Israely dia nolazainy fa » …tambanin’ny rahona « . Izany dia ilazana ny fitarihan’Andriamanitra, ny fialofan’ny olona taminy manoloana ny hainandro ary ny fiarovan’Andriamanitra . Ny hoe: »…namaky ny ranomasina... » dia ilazana ny fiampitana ny ranomasina mena , ary dia mbola tao mandrakariva ny fiahian’Andriamanitra . I Mosesy no mpitarika lehibe niaraka tamin’ny Zanak’Israely niatrika ireo toe-javatra voatanisa ireo, sady izy no nanome ny lalàna . Izay nahatonga an’i Paoly nilaza tamin’ny and 2 manao hoe : »…ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’iMosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina … » (and2) . Maneho koa izany fa ny batisa dia tena fiainana miaraka amin’Andriamanitra .
2-Manome sakafom-panahy
Lazain’iPaoly fa « ...izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany , ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany … »(and3) . Raha teo amin’ny tantaran’ny Zanak’Israely dia novelomin’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga izy ireo . I Paoly kosa manamafy fa « …Kristy no vatolampy« . Jesoa Kristy dia nanambara ny tenany ao amin’ny Jaona 6.35 . Andriamanitra dia tsy sasatra manome ny sakafom-panahy izay sahaza ho an’ny tsirairay amin’ny alalan’ny teniny . Ny tena fiainana kristiana dia tsy maintsy mifamatotra amin’ny Tenin’Andriamanitra , manao lohalaharana ny fanatanterahana ny sitrapony , izay sakafom-panahy ho an’izay miorina ao Aminy .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra raha ny fiahiany anao hatrizay no tsiahivina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM