Andriamanitra masina
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Janoary 2020
EZEKIELA 20.30-38
EZEKIELA 20.30-38
30 Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon*'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,[Heb. lalana] 31 ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. 32 Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo. 33 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo. 34 Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo. 35 Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo. 36 Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo. 37 Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena. 38 Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.Andriamanitra masina
1-Tsy manaiky hapirafesina amin’ny sampy (and 30-31)
Hentitra Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiampangana miendrika fanontaniana milaza amin’ny taranak’i Israely fa tsy ankasitrahany velively ny fampirafesana azy amin’ ny andriamanin-kafa, ary ny fanaovana izany dia mahatapaka ny fifandraisana eo Aminy sy ny olony ; mahatonga an’ Andriamanitra tsy mihaino (Isa 59.2) . Mila mitandrina isika mpino fa ny fampirafesana an’ Andriamanitra mivantana na ankolaka dia manapaka ny fifandraisantsika Aminy sy ny olony . ary very anefa izay rehetra lavitra sy mahafoy Azy .
2-Hanafay ny mafy loha(and35-38)
Rehefa milaza amin’ny olony ny hitondrany azy hiala ao Babylona , ka ho any anefitra hifandahatra Aminy Andriamanitra dia hanala ny masirasira rehetra: « havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay nanota amiko« , ary ambarany mazava azy fa tsy ho tafiditra any amin’ny tanin’ny Israely ireo , izany hoe: hofaizin’ Andriamanitra ireo Jiosy izay mieritreritra fa satria any am-pahababoana izy dia afaka miala amin’ny lalàn’Andriamanitra , ka dia milona ihany amin’ny fahotana na dia efa Izy Andriamanitra izao aza no manao ny dingana voalohany hanadio ny olony. Tsarovy fa tsy avelan’ Andriamanitra hiala maina izay tsy mety mibebaka .
Fanontaniana:
Inona no fahotana mbola ikirizana ka tsy hihainoan’ Andriamanitra anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM