Andriamanitra manome lova ny olony
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Febroary 2020
MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’NY TOMPO
DEOTERONOMIA 7.1-11
1 [Ny amin'ny handringanana ny Kananita] Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao. 2 ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy; 3 ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy. 4 Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy. 5 Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo. 6 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. 9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby, 10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. 11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.Andriamanitra manome lova ny olony
1-Mitaona ny olony tsy hifangaro amin’ny ratsy .
Nanafaka ny zanak’Israely Andriamanitra ka nampiditra azy ireo tany amin’ny tany Kanana . Efa nanana ny andriamanitra nivavahany ny mponina tao amin’izany tany izany , noho izany tsy maintsy nandrava , nandringana ny mponina tao amin’izany tany izany ny zanak’ Israely mba tsy hifangaro aminy na koa hanaraka ny fomba fanaony . Andriamanitra ihany no tokony hivavahana sy hotompoina , noho izany dia tsy maintsy potehina sy ravahana izay herin’ny faharatsiana rehetra . Mba hahafahana manompo marina an’ Andriamanitra dia aza mety hifangaro amin’ny ratsy ianao .
2-Mitaona ny olona hitoetra tsara ao aminy
Navahan’ Andriamanitra tao anatin’ny maro ny olona navotany. Nanehoany ny tena fitiavana ka nahafahany teo ambany fatorana samihafa. Nofidiny ho tena olony ireo, noho izany dia tsy ekeny intsony ny hiverenany amin’ny fanompoana andriamanin-kafa. Nomeny ny teniny ny olony . Ny olona miaina sy mivelona marina amin’ny teniny dia voaaro amin’ny asan’ny ratsy ka tsy hiharan’ny fandringanana.Tsarovy fa fitiavan’ Andriamanitra antsika no nanomezany ny Teniny . Rehefa miaina marina amin’ny Teniny isika dia voatahiry amin’ilay fiainam-pamonjena notanterahiny tao amin’i Jesoa Kristy ,Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty.
Fanontaniana:
Fantatrao ve ny lova nomanin’ Andriamantra ho anao ? Raoviana ianao no afaka hisitraka izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM