Andriamanitra manome fahefana ny irany

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Jolay 2024
Apokalypsy 20,1 - 6
1 [Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.

Andriamanitra manome fahefana ny irany

1- Mandresy ny herin’i satana «dia nisambotra ilay dragona izy (…) ka namatotra ary arivo taona» (And.2)

Rehefa nomena fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay anjely dia nisambotra an’i satana ka nanidy azy tao anatin’ny lavaka tsy hita noanoa mba tsy hahafahany mamitaka. Entina ilazany ny irak’ Andriamanitra nomena ny fahefana handresy tanteraka ny herin’i satana izany. Midika izany, rehefa maharitra mitana hatrany ny finoana an’i Jesoa Kristy ny olona, indrindra ao anatin’ny fanenjehana, dia Andriamanitra no hanome azy fahefana hahazoana mandresy ny hery rehetra ananan’i satana mba tsy hahafahany mitondra fampianaran-diso sy fanenjehana ary fampahoriana ny olona mino an’i Jesoa Kristy. Koa minoa Azy amin’ny faharetana dia homeny fahefana entina mandresy ny herin’i satana hianao.

2- Hiara-manjaka amin’i Kristy « … ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona (and 4)

Ambara eto fa ireo olona izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy tenin’Andriamanitra, ireo tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na ny sariny, ireo tsy nandray ny mariky ny bibidia tamin’ny handriny dia niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. Ny arivo taona entina ilazana fotoana tsy manam pahataperana. Rehefa maharitra manaradia an’i Jesoa Kristy amin’ny finoana, ka tsy miala amin’izany, dia hiara-manjaka amin’i Jesoa Kristy, handray ny satroboninahitry ny fiainana izay efa nomaniny ho an’ny olona mahatoky tamin’ny fanompoana Azy. Koa minoa an’i Jesoa Kristy, mahareta amin’ny fivavahana Aminy, dia hiara-hanjaka aminy mandrakizay isika.

Fanontaniana:

Nahoana no tsy maharitra miaraka amin’i Jesoa ny olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe