Andriamanitra manjaka amin’ny olony

Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Jolay 2024

Mika 4. 1-7

Mika 4. 1-7
1 [Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. 2 Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. 3 Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. 4 Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny. 5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria. 6 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko; 7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.

Andriamanitra manjaka amin’ny olony

1- Mitondra fiadanana

« Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy… » (And. 4) Rehefa tonga ny fotoana, Andriamanitra no hanjaka eo amin’ny vahoakany. Ka ny dikan’ny hoe « hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviavy » dia midika ho filaminana sy fiadanana eo amin’ny vahoaka satria tsy misy hanaitaitra. Rehefa Andriamanitra no manjaka eo amin’ny vahoaka dia misy ny filaminana. Toy izany koa isika, ekeo hanjaka eo amin’ny fiainanao Andriamanitra mba hanananao fiadanana sy fandriampahalemana. Jesoa Kristy no llay Andrianan’ny fiadanana. Noho izany, izay rehetra te-hiaina ao anatin’ny fiadanana dia tsy maintsy mandray an’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainany. Koa raiso amin’ny finoana eo amin’ny fiainanao i Jesoa Kristy dia hiadana hianao.

2- Mamindra fo aminy

«… hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko » (And. 6) Oharina amin’ny ondry ny vahoaka eto. Andriamanitra no nandratra, nahatonga ny ondry narary, ary nampiely ny ondry. Entina ilazana ny famaizana sy famelana ny vahoaka ho babo. Ankehitriny anefa, dia hanasitrana ny vahoakany izy ka hamindra fo aminy indray. Araka izany, mamindra fo sy mamela ny heloky ny vahoakany Andriamanitra. Ny famindram-po no mitondra fanafahana eo amin’ny olona. Amin’ny fotoana izay andraisan’ny olona ny famindram-po avy amin’Andriamanitra dia hiaina ao amin’ny filaminana izany olona izany. Kristy no famindrampon’ Andriamanitra. Noho izany, ny olona izay manana an’i Kristy ihany no misitraka ny famindrampon’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana ny iainanao ny famindrampon Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe