Andriamanitra manitsy ny olona

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Martsa 2023

2 MPANJAKA 24.1-6

2 MPANJAKA 24.1-6
1 Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy. 2 Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. 3 Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony 4 sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny helony. 5 Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 6 Ary Joiakima lasa nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.

Andriamanitra manitsy ny olona

1-Manamarina ny tenin’ny Mpaminany

« …araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony  » (and2)

Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima tao Joda no nanaovan’i Babyloniana fahirano an’i Jerosalema ,satria nikomy i Joiakima. Ny mpaminany Jeremia anefa nilaza fa « hanompo ny mpanjakan’ny Babylona fitopolo taona » ny firenen’i Joda. Vokany , maty tao anatin’izany i Joiakima ho fanatanterahana ny tenin’ny mpaminany. Araka izany , tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny irany .Tsy afa-miala amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra ny olona na dia miezaka manohitra izany aza. Jesoa Kristy no fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra .

2-Manameloka ny fandatsahan-drà

« sy noho ny rà marina izay nalatsany koa ,fa nofenoiny rà marina Jerosalema… » (and4)

Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Joiakima dia fantany fa tsy tia azy ny vahoaka noho izy nandatsaka ra marina maro.Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanaovana ny tsy marina sy ny tsy rariny ary indrindra ny fandatsahan-drà .Tsy maintsy hovalian’Andriamanitra ny olona izay manao izany , ary izany ihany koa no itaomana anao amin’ny andraikitra raisinao sy ny fahefana nomena anao , dia manaova ny marina sy ny rariny ary aza mamono olona.Tian’i Jesoa Kristy hitondra fiainana ho an’ny hafa ny mpino Azy rehetra. Aza manao ny tsy marina sy ny tsy rariny amin’ny mpiara-belona aminao fa heloka eo anatrehan’ny Tompo izany .

Fanontaniana :

Inona ny tsy rariny tsaroanao fa ataonao matetika ka tokony hialana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM