Andriamanitra manitsy ny fomba fanompoana Azy
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Oktobra 2022
ISAIA 29.13-24
ISAIA 29.13-24
13 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany, 14 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany. 15 Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? 16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy? 17 Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala? 18 Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba. 19 Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely, 20 Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy, 21 Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana. 22 Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany. 23 Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely. 24 Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.Andriamanitra manitsy ny fomba fanompoana Azy
1-Manafoana ny fisainan’olombelona
« …ka ho foana ny fahendrena kendreny ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany » (and14) .Nambaran’ny mpaminany ny haharava izay rehetra manaraka ny fomba fisainan’ny olona mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Nieritreritra ny manam-pahefana tamin’izany fa mbola ambany noho ny fahalalana ara-tsiansa ny fahalalan’Andriamanitra .Mirehareha tamin’ny fahalalana ananany ny olona tamin’izany . Manoloana izany dia haetrin’Andriamanitra ny mahery, ny manam-pahalalana hopotehina .Andriamanitra manafoana ny fisainan’olombelona mpirehareha sy ny manandratena mifanohitra amin’ny sitrapony .Koa mianara ny fampianaran’i Jesoa Kristy fa izay mahay manetry tena no hasandratra .
2-Manambara ny fahefany
« Moa ny mpanefy tanimanga va no heverina ho tahaka ny tanimanga... » (and16).Fomba fiteny mahazatra ny danekena taloha ny filazana momba ny mpanefy tanimanga(Isa 45.9/64.7) entina hanehoana ny fahefan’Andriamanitra .Raha manitsy ny fomba fanompoana Azy Andriamanitra .Raha manitsy ny fomba fanompoana Azy Andriamanitra dia mampahatsiahy fa Izy no tompon’ny fahefana amin’olombelona.Tsarovy fa an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ny fahefana ka mila manaiky izany ny olona rehetra , indrindra ny olom-boafidin’Andriamanitra .Koa ataovy mendrika izany ny fanompoanao Azy.
Fanontaniana:
Inona amin’ny fiananao no tsy mbola hanekenao ny fahefan’Andriamanitra ? Nahoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM