Andriamanitra maniraka ny olom-boafidiny

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Jolay 2023

Ezekiela 3. 4 - 14

Ezekiela 3. 4 - 14
4 [Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.


Andriamanitra maniraka ny olom-boafidiny


1-Mampahery azy

« ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny fa taranaka maditra izy »

Nirahin’Andriamanitra ho any amin’ny taranak’Isiraely I Ezekiela.
Taranaka maditra, tsy mety mihaino.Tsy mety mihaino an’ I Ezekiela izy ireo satria tsy mety mihaino an’ Andriamanitra. Nanoloana izany ,nohamafisin’ Andriamanitra ny handrin’i Ezekiela mba afaka hiatrika ireto vahoaka maditra ireto. izany. Araka izany, Andriamanitra no mampahery ny olom – boafidiny izay irahiny hitondra hafatra ho any amin’ny olona maditra. Manafaka ny tahotra ao anatiny lzy. Tsy ny olona masiaka sy maditra no tokony hatahoran’ ‘ny olom- boafidin’ Andriamanitra fa ny tsy fankatoavana ny Tenin Andriamanitra. Koa mahereza ao amin’ I Jesoa Kristy.


2- Mankato ny irak’Andriamanitra

« Dia mandehana.. mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino » (and 11)

Nirahin’Andriamanitra hitondra hafatra ho any amin’ny vahoaka babo I Ezekiela. Tsy voatery hihaino ny hafatra nampitondraina azy anefa ny vahoaka izay anirahana azy fa ny zava-dehibe dia ny fankatoavany ny
tenin’ Andriamanita maniraka azy. Noho izany, ny irak’ Andriamanitra dia manatanteraka izay ampanaovina azy. Tsy midika akory izany fa hahomby ny fitoriana izay atao fa ny andrasana aminao dia ny
fankatoavana. Mety ho tsy arakaraka ny fankatoavan’ny iraka ny fahombiazan’ny asa. kanefa tanteraho ny fanompoanao. Jesoa Kristy no mpaniraka ny kristiana hitory filazantsara. Mariky ny finoana Ilay
mpaniraka ihany koa ny fankatoavana avy hatrany ny iraka ampanaoviny.
Fanontaniana

Inona no antony mahatonga anao tsy mankato avy hatrany ny iraka ampanaovin ‘i Jesoa Kristy anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM