Andriamanitra maniraka mpanompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Janoary 2022
Malakia 3. 1 - 6
Malakia 3. 1 - 6
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.Andriamanitra maniraka mpanompo
1- Manadio ny olona
« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy … » (and. 3)
Niandrandra fatratra ny fahatongavan’ny Mesia ny olona tamin’izany fotoana izany kanefa ny mpisorona tsy nanompo an’Andriamanitra, tsy araka ny voasoratry ny lalàna ny fanatitra nataon’izy ireo tamin’izany. Manoloana izany faharatsian’ny olona izany, dia mitsangana handio ny olona Adriamanitra , hanafaka azy amin’ny tsi-fahamarinana. Rehefa madio ny olona dia tonga mpanatitra fanatitra mendrika sy amin’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. Ary fanaovana fanatitra tsara indrindra, ny fanoloran-tena ho an’Andriamnitra, amin’ny alalan’i Jesoa Krsity. Koa atolory Azy amin’ny fahadiovana ny tenanao.
2- Miara-monina amin’ny olona
« Ary nipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy… » (and. 3)
Ampiasaina ny teny « hipetraka » eto entina ilazana fa ny irak’Andriamanitra, izay misolo tena Azy, hanadio ny olona dia tsy mandalo vetivety dia lasa akory fa tena miara-monina amin’ny olona. Mba hahafahana mitondra fahadiovana eo amin’ny olona dia tsy maintsy miara-monina amin’ny olona. Ary izany no nataon’Andriamanitra, niara-nonina tamin’ny olona tamin’ny alalan’i Jesoa Krsity, tonga nofo, niara-nonina tamintsika. Ary na dia efa niakatra ho any an-danitra aza Izy dia mbola nanome toky ny mpino hatrany fa momba antsika isan’andro. Miara-monina amintsika i Jesoa Kristy mba hahafahany manadio antsika .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny fanadioavan’i Jesoa Kristy ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM