Andriamanitra mandrindra ny tantara

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Desambra 2020

GENESISY 49.8-10

GENESISY 49.8-10
8 Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. 9 Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.

Andriamanitra mandrindra ny tantara

Milaza ny amin’ireo taranak’Israely 12 lahy sy ny ho aviny ity Gen 49 ity , ka maneho indrindra izany fa :

1-Mitana ny teny omeny Andriamanitra

Ny anarana Hebreo hoe : Joda dia midika hoe : « deraina  » na hoe : koa malaza . Mazava ho azy , araka izany raha toa ka fiderana sy fankalazana avy amin’ireo rahalahiny no miandry azy amin’ny ho avy araka izay ambaran’ Israely rainy hoe : « hoderain’ny rahalahinao ianao » . Fa raha iverenana kely koa ny tantara dia antom-pideran’i Lea reniny an’ Andriamanitra ny fahaterahan’ity zanany faralahy tamin’Israely ity , araka ny Gen 29.35 . Voaozona tokoa ireo teny nomen’Andriamanitra an’i Joda sy ny taranany ireo , ka vay ao aminy no nipoiran’i Jesoa Mesia araka ny tetiarana ao amin’ny Filazantsara .

2-Mahatantanteraka ny sitrapony Andriamanitra

Hita taratra eto fa sitrapon’Andriamanitra ny hampitoetra ny fiadanany amin’ireto zanak’Israely ireto ka amin’ny alalan’ny Joda no hanatontosany izany . Voalaza eto ihany koa fa ny firenena rehetra mihitsy no hanoa ny fanapahana eo an-tànan’ilay mpanapaka avy amin’ny taranak’i Joda satria sady matanjaka nefa tsy misetrasetra , ary voadio izany fanapahana izany . Marina tokoa fa i Joda sy ny taranany no resahana eto , saingy tsy nisy nahatanterak a ireo teny milaza ny sitrapon’ Andriamanitra ireo raha tsy i Jesoa Kristy irery ihany . Hafatra ho antsika àry : hazony tsara ny Tenin’Andriamanitra ary ekeo ny ho mpanompon’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Inona no atao manoloana ny fitantanan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM