Andriamanitra mandray andraikitra

Mofonaina anio: Talata, faha 29 Martsa 2022

2 TESALONIANA 1.3-12

2 TESALONIANA 1.3-12
3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, 4 ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan*'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [* Gr. eklesia] 5 famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo 6 fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, 7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, 9 dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, 10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo. 11 Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana, 12 mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Andriamanitra mandray andraikitra

1-Mitoera ho mahatoky (and 4-5)

Ny mpanompon’Andriamanitra dia sedrain-javatra maro ary mariky ny fanarahana ny Tompo izany . Izy Jesoa mantsy no efa niteny fa ho halan’ny olona isika noho ny amin’i Jesoa izay inoantsika. Derain’i Paoly ireto olona anoratany ireto noho ny faharetany ny amin’ny fahoriana ,ny faharetany amin’ny finoana . Hazavain’i Paoly eto fa tsy ho very maina izany fiaretana izany .Fa ankehitriny dia maro ny kristiana raha vao misy fanakianana kely dia mihemotra . « Aza matahotra izay efa hiaretanao .Indro ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina , mba ho voazaha toetra ianareo , ary hanam-pahoriana hafoloana .Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao , dia omeko anao ny satroboninahitra fiainana » (Apo 2.10)

2-Mamaly izay fahavalontsika Izy (and6)

Zavatra marina amin’Andriamanitra , hoy i Paoly ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo .Misaotra ry Tompo noho izany fanambarana lehibe feno fanomezan-toky omenao anao izany . Fa Anao Andriamanitra tokoa ny famaliana fa tsy anay . Izany no tombony azontsika izay mpanara-dia an’i Jesoa .Matetika isika no tratry ny fakam-panahy hamaly bontana izay manisy ratsy antsika . Eto anefa dia ambaran’ny Tompo fa Azy ny famaliana (Heb 10.3).

Fanontaniana :

Efa nihatra taminao ve izany hoe : « fanenjehana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM