Andriamanitra manatanteraka ny fanekeny
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Febroary 2020
SALAMO 111.1-8
SALAMO 111.1-8
1 [Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha] 6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa. 7 Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.Andriamanitra manatanteraka ny fanekeny
Asehon’ny mpanao salamo fa ilay Andriamanitra tsara sady mpanao ny tsara dia manatanteraka ny fanekena .
1-Maneho izany amin’ny asany
Ny asa tanterahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona no hanehoany fa mitana ny fanekena nataony Izy . Asa lehibe tena miavaka izany . Izy no nanafaka ny zanak’Israely tany amin’ny tany Egypta , tany nahandevozana . Asam-pamonjena izany , asa fanafahana tamin’ny fatoran’ny fahavalo , asa maneho ny maha-Andriamanitra marina Azy , ilay mankasitraka ny fahorian’ny olony . Ny olona mino Azy dia mitady izany mandrakariva . Notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy io asa io dia ny nanafahana antsika tamin’ny fahotana.
2-Mikarakara ny olony
Fikarakarana feno ny tanterahin’ Andrtiamanitra ho an’izay matahotra Azy. Mitana ny fanekena izay efa nataony Izy . Tanteraka ny asam-pamonjena izay nataony. Mifameno amin’izany dia manao izay hahalavorary ny fiainan’ny olony Izy ka manome izay rehetra mahasoa. Eny , naneho ny heriny Tsitoha Andriamanitra ka nomeny ho lovan’ny olona ilay tany fampanantenana , araka ny nambarany tamin’i Abrahama.Tsarovy fa mitana ny fanekeny mandrakariva tokoa Andriamanitra . Mikarakara ny fiainantsika isanandro Izy , nefa koa omeny anjara lova ho antsika matahotra Azy ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona no tsapanao rehefa mamaky sy mandinika ny Tenin’ Andriamanitra ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM