Andriamanitra manao fanekena amin’ny olona

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Oktobra 2024

Genesisy 17.1-8

Genesisy 17.1-8
1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.

Andriamanitra manao fanekena amin’ny olona

1. Mampanatena azy

«Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ny firenena maro ianao.» (And.4) Andriamanitra niseho tamin’i Abrama ka nanambara ny maha Andriamanitra Tsitoha Azy. Mahay sy mahefa ny zavatra rehetra, no nisehoany tamin’i Abrama. I Abrama efa antitra, manana vady momba no nampanantenaina fa ho «Rain’ny firenena maro». Amin’ny fotoana izay tsy ieritreretan’ny olona hahitana vahaolana amin’n zavatsarotra eo amin’ny fiainana no miseho Andriamanitra Tsitoha mampanantena vahaolana. Vahaolana mifanitsy amin’ny hetahetan’ny olona. Koa mandehana amin’ny finoana amin’i Jesoa Kristy, dia ho tanteraka aminao ny teny fampanantenany.

2. Manome fiainam-baovao

«Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama …» (And. 5) Eto ny anarana Abrama dia novaina ho Abrahama satria efa nataon’Andriamanitra ho rain’ny firenena maro izy. Ny fanovana anarana dia midika ho fanovan’Andriamanitra ny fiainana manontolo. Tsy ilay Abrama tsy manana taranaka intsony izany no iantsoana azy fa Abrahama rain’ny firenena maro. Tonga olom-baovao ary anaram-baovao no omena sy iainan’ny olona nomen’Andriamanitra fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy. Ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy fiainam-baovao, ary Izy irery ihany no mahay manova ny fiainana ho vaovao indray. Koa matokia Azy.

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatsapanao ny fitondran’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe