Andriamanitra manao fahariana vaovao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Oktobra 2024

Apokalipsy 21. 1-5

Apokalypsy 21,1 - 5
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.

Andriamanitra manao fahariana vaovao

1. Manafoana ny faharatsiana rehetra

«…fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (And.1)

Ny filazana ny tsy fisian’ny ranomasina intsony dia midika fahafoanan’ny faharatsiana, ny maty rehetra hiala avy ao an- dranomasina ka ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Milaza izany fa ao amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao dia tsy misy faharatsiana, fanenjehana, eny fahafatesana aza. Foana ny herin’ny faharatsiana sy ny fahafatesana izay fahavalon’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ka izay rehetra izay tafiditra ao amin’ny lanitra sy tany vaovao dia tsy ananan’ny herin’ny fahafatesana fahefana intsony. Foana ny faharatsiana sy ny fahafatesana.

2. Miaramonina amin’ny olona

«Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, … » (And. 3)

Amin’ny fomba telo samihafa eto no entina ilazana ny fanatrehan’Andriamanitra: Tabernakely mariky ny fanatrehan’ Andriamanitra, « Izy hitoetra eo aminy » izay midika hoe Imanoela na amintsika Andriamanitra, ary « ireo ho olony » teny fampiasa amin’ny fanekena. Andriamanitra manatrika sy miara- monina amin’ny olona ka manavao indray ny fanekeny amin’ny vahoakany, dia ireo rehetra mino sy vahoaka nofidiny. Manatrika sy miara-monina amin’ny olona nohariany hanana fiainam-baovao Andriamanitra. Midina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra mba hiaramonina amintsika. Koa meteza hiaramonina Aminy.

Fanontaniana

Ahoana ary ny fomba hiaraha-monina amin ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe