Andriamanitra manafay ny mpanao ratsy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Martsa 2023

EKSODOSY 21.12-37

EKSODOSY 21.12-37
12 Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa; 13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho. 14 Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. 15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. 16 Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa. 17 Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. 18 Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy, 19 raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany. 20 Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy. 21 Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy. 22 Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy. 23 Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao, 24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra, 25 may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra. 26 Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevova­viny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony. 27 Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny. 28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny. 29 Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina. 30 Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy. 31 Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy. 32 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato. 33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao, 34 dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy. 35 Ary raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy. 36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. 37 Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.

Andriamanitra manafay ny mpanao ratsy

1-Mitaona azy hanaja ray amandreny (and15-17)

Eto dia ahitana didy momba ny fanajana ny ray amandreny , izany hoe: tsy mamely ny ray amandreny na manozona azy ireo .Ary raha misy manao izany dia « hatao maty tokoa« .Fahotana mahafaty eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy fanajana ny ray amandreny .Noho izany , natao mafy dia mafy ny sazin’ny olona izay tsy maharaka izany ary izany no ampahatsiahivina ny mpino kristiana indray ary izany no ampahatsiahivina ny mpino kristiana indray ,mba samy hanaja ray amandreny daholo . Miteraka famaizana avy amin’Andriamanitra ny tsy fanajana ray amandreny, satria solotenan’Andriamanitra hiahy sy hikarakara ary hamelona ny zanany izy ireny .Koa raha mino an’i Jesoa Kristy ianao , hajao hatrany ny ray amandreny .

2-Mandrindra ny fiaraha-monina (and28-32)

Ahitana ny fepetra famaizana ny omby mamono olona na ny tompony voalaza eto , mandoa onitra ny tompon’ny omby raha efa zatra manoto ny ombiny sady torahambato ilay omby .Izany no natao mba hahatonga ny tompon’ny omby hitandrina sy hiambina tsara ny biby fiompiny ka tsy hamela azy ireny hanao ny tiany hatao . Ary izany koa no tokony hataon’ny mpino kristiana ho anao izay manana biby fiompy .Tandremo tsara ny biby fiompinao ,ka aza avela hirenireny sao manimba zavatra olona .Heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fisian’izany ary fahotana mahafaty ho an’ny tompon’ny biby ompiany .Koa fomba iray iainana ny finoana an’i Kristy ny fiarovana ny ain’ny hafa amin’ny biby ompianao sady ho fitandroana ny fiaraha-monina ihany koa .Ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy misaraka amin’ny fanajana ny fiaraha-monina.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga anao mbola maniratsira ray amandreny ? Ahoana ny fomba fanajanao ny fiaraha-monina misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM