Andriamanitra manafaka ny olony.

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Mey 2025

(Sal.138 / Hira 190 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira177)

Mpitsara 6.33-40
33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita. 35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo. 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, 37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. 38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia. 39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

Andriamanitra manafaka ny olony.

Vokatry ny fahotan’ny Israely dia navelan’Andriamanitra hampahorian’ny Midianita sy ny Amalekita izy ireo. Mafy ny nahazo azy, hany ka nitaraina tamin’i Jehovah izy ireo. Ka dia indro Izy fa miditra an-tsehatra hanafaka ny olony:

1- Miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy (and.34-35).

Afaka miasa ao amin’ny olona izay nofidiany Andriamanitra, mba hitondra fanafahana ho an’ny vahoakany. Ny Fanahin’i Jehovah izay nitoetra tao aminy no nananan’i Gideona fahasahiana hitarika ny vahoaka hanohitra ny fahavalon’ny fireneny. Ny Fanahin’i Jehovah ao amin’i Jesoa no naniraka Azy hitondra fanafahana ho antsika rehetra amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fampahorian’ny fahafatesana. Dia toy izany hatrany: ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana no manome hery ho an’ny mpino amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ka hananany fahasahiana hanohitra an’i satana sy ny asaratsiny.

2- Manome toky izay olona irahiny Izy (and.36-40)

Tsy nandeha irery na nitoky tamin’ny herin’ny tenany sy ny vatan-dehilahy izay voavoriny i Gideona. Nataony ho zava-dehibe ny fahazoana antoka fa momba azy Jehovah. Nitady famantarana izy. Fa isika kosa, tsy voatery hitady famantarana toa an’i Gideona, dia amin’izay vao hino sy hatoky ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ampy bo antsika Fiangonana ny finoana fa Jesoa Kristy dia efa naharesy hatramin’ny fahafatesana, ary miandany amin’izay rehetra irahiny ka mankato ny Teniny. Hoy Jesoa: « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo zao. » (Mat 28.20)

Fanontaniana:

Inona no fandraisana anjara takian’ny Tompo amin’ny Fiangonana manoloana ny ady amin’ny fahalovana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe