Andriamanitra manafaka amin’ny fahavalo

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Oktobra 2020

EKSODOSY 14.15-22

EKSODOSY 14.15-22
15 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. 16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. 17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, 18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. 19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany 20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. 21 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. 22 Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

Andriamanitra manafaka amin’ny fahavalo

1-Mitaona ny olona handroso hatrany

« Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy : lazao amin’ny Zanak’Israely mba handroso »(and 15)

Tonga teo anoloan’ny ranomasina mena ny Zanak’ Israely, very hevitra , tsy mahita izay làlan-kodiavina , kanefa efa manenjika azy ireo ny miaramilan’i Farao . Nitaraina tamin’i Mosesy ny vahoaka . Andriamanitra kosa nitaona azy ireo handroso hatrany satria Andriamanitra efa nanomana famonjena ho an’ny vahoakany . Araka izany ny fiarahana amin’ Andriamanitra dia mety hisy fotoan-tsarotra mahavery hevitra , tsy ahitana vahaolana indraindray. Na dia eo aza anefa izany dia tokony handroso hatrany satria ny anton’ny fahorian’ny vahoakan’ Andriamanitra dia fanafahana . Ary izany no hevitry ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy .

2- Manao izay hankalazana Azy

« Ary indro Izaho hanamafy ny fon’ny Egyptiana,,,dia hankalazaina Aho noho ny hataoko« (and 17)

Sady hanokatra làlana hitondrana ny zanak’Israely ho amin’ny fahafahana Andriamanitra no hanamafy ny fon’ny Egyptiana hitarika azy ho any amn’ny fahaverezana .Rehefa tanteraka ny fanafahana ny Zanak’Israely dia hankalaza an’ Andriamanitra izy ireo ary ho fantatry ny Egyptiana ny asany lehibe. Araka izany , ny olona sy ny vahoaka mahatsapa ny fanafahan’ Andriamanitra no manome voninahitra Ary ka ny herin’ Andriamanitra izay entiny mamonjy ny vahoakany dia mampitolagaga ny fahavalon’ ny zanak’ Andriamanitra . Koa omeo voninahitra Andriamanitra tamin’ny fanafahany sy ny famonjeny anao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Inona no ataonao manoloana ny fanafahan’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM