Andriamanitra mampiorina ny mino
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Aogositra 2021
EKSODOSY 31.1-11
EKSODOSY 31.1-11
1 [Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: 4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina 5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. 6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: 7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay. 8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra 9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany. 10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona, 11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.Andriamanitra mampiorina ny mino
1-Manaiky ny fifidianany
Andriamanitra tenany mihitsy no mifidy eto , dia i Bezalila sy Oholiaba izay hita fa miavaka tamin’ny asa kanto (tsara) izay nataony , ary ambaran’ny mpanoratra . Tsy izy ireo ihany fa ianao koa dia nofidiany ho amin’ny asa tsara . Nomen’Andriamanitra ny Fanahiny izy ireo ho fampitaovana ara-panahy ny fanomezam-pahasoavana hanao asa tsara, fanompoana manokana ho an’Andriamanitra . Io asa manokana io koa no nifidianany antsika . Koa meteza hofenoiny ny Fanahiny fa maro no naniry fa isika no nofidiny . Maneke Azy fa miantefa amintsika ny safidiny ka ampiasao ny fahendrena sy ny talenta anananao ary ny saina hampandroso ny asa soa.
2-Vonona hiara-miasa amin’ny hafa
Nambaran’ i Petera fa natao ho an’ny rehetra mino ny fananana saina sy fahendrena sy fitiavana vonona hiara-miasa amin’ny hafa ary izany no hahatanterahan’ny asa tsara (kanto).Hita teo amin’i Bezalila sy Oholiaba izany izay tokony ho marina eo aminao sy ny mpiara-miasa aminao koa . Asa tsara no nampiandraiketina , tsy mora na dia heverina ho mora aza. Isika koa dia vonona hiara-miasa amin’ny Tompo na amin’ny hafa hisehoan’ny voninahiny sy ny fahatsarana ao Aminy, izay hita eo amin’ny asa atao. Ambarao amin’ny hafa fa tsara ny Tompo sady mpanao ny tsara .
Fanontaniana :
Nofidian’nyTompo hanao asa tsara ianao . Marina teo amin’izay nataonao ve izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM