Andriamanitra mahary fiainam-baovao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Martsa 2020
Isaia 44,21 - 23
21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô, 22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. 23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.

Anisan’ny teôlôjia matanjaka teo amin’ireo mpaminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana indray, Tsy afa-misaraka amin’izay fahariana izany anefa ny fiverenana ao amin’Andriamanitra. Izay tafaverina ao amin’Andriamanitra no mahazo fahariana vaovao avy aminy.

1 – Andriamanitra mpahary (and. 21)

Ambaran’i Isaia mazava tsara eo amin’io andininy io ny maha-Mpahary ny Tompo. Izy no nahary an’ity vahoaka izay babo ity. Koa satria nohariany dia ambarany eto fa tsy ho adinoiny. Izany hoe tsy havelany ho potika sy ho ravan’ny fahababoana. Tena zava-dehibe mantsy izany hoe mahary fiainam-baovao ny Tompo ho an’ny babo. Ny fandresena izany dia manala azy ireo amin’izay endrika famoizam-po samihafa. Meteza hiverina ao amin’ny Tompo izay nahary antsika hahazoana fiainam-baovao.

2 – Andriamanitra mpamela ny heloka (and. 22)

Ambaran’ny Tompo fa izy mihitsy no mandevona ny fahotan’ny olony. Ny hoe mandevona dia tena mamono mihitsy ilay fahotana izay manalavitra ny olony aminy. Rehefa miverina ao amin’Andriamanitra ny olony araka izay dia dioviny ho afaka amin’ny fahamarinana rehetra, esorin’Andriamanitra sy levoniny izay rehetra mahatonga elanelana eo amin’ny vahoakany. Andriamanitra mpamindra fo sy mpamela heloka rahateo Izy. Andeha tena hatao ho zava-dehibe mihitsy ny fiverenana ao amin’ny Tompo noho Izy mbola mamindra fo sy mamela heloka. Fotoana fanararaotra ny fotoana ankehitriny hiffandraisana tsara amin’ny Tompo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana : Iza moa ilay Andriamanitra miantso ny vahoakany hiverina ao aminy?

Sekoly Alahady. Foibe FJKM