Andriamanaitra tsy miova mandrakizay
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Janoary 2022
ISAIA 48.12-16
ISAIA 48.12-16
12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. 13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa. 14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana. 15 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany. 16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.Andriamanaitra tsy miova mandrakizay
1-Andriamanitra Mpahary
« Eny ny tànako no nanorina ny fanambanin’ny tany , ary ny tànako ankavanana no namelatra ny lanitra » (and13)
Rehefa babo tany Babylona ny taranak’i Joda dia nahatsiaro ho toy ny nafoy mihitsy izy ireo , satria misaona ny tany , lao ny tanàna , afa-baraka ny firenena , kivy ny vahoaka . Nanoloana izany dia nampahatsiahy ny anarana nahafantaran’Israely Azy Andriamanitra , dia ny maha- Mpahary Azy izany . Ary ny antony isehoan’Andriamanitra amin’ny maha-Mpahary Azy dia ho fanomezan-toky ny vahoaka fa afaka manova sy mahary fiainam-baovao ho an’ny olony Izy .Amin’ny fotoana izay mahavery ny olona Izy. Ary ny fahariana lehibe indrindra amin’izany dia ny maha-olom-baovao ao amin’i Kristy .
2-Mitaona ny olona hantona Azy
« Manatona Ahy ianareo ka mihainoa hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina… » (and16)
Taorian’ny fampahatsiahana nataon’ny Mpaminany fa Jehovah no Andriamanitra tokana sady marina , dia nitodika tamin’ny vahoaka Izy mba hanraraotra ny fotoana iantsoana azy ireo hisitraka ny fitiavan’Andriamanitra .Andriamanitra maneho ny fitiavany ny olona ka miteny amin’ny olona no hanehoany ny fitiavany ny vahoaka .Ka izay rehetra mihaino ny Tenin’Andriamanitra no misitraka ny fitahiana sy fahasoavana aterak’izany .Ary izany teny izany dia tsy hafa fa i Jesoa Kristy , Ilay fiainana sady mpizara fiainana amin’izay rehetra mino Azy .
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba iainanao ny fahariana vaovao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM