« Andeha ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’i Jehovah Andriamanintsika (and10)
Mofonaina anio: Talata, faha 20 Septambra 2016
Jeremia 51,6 - 10
6 Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy. 7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny. 8 Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy. 9 Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin'ny rahona. 10 Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
JEREMIA 51.6-10
« Andeha ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’i Jehovah Andriamanintsika (and10)
1- Mifampitaona ny mino
Maniraka mpaminany ny Tompo mba hampitandrina sy hampiomana ireo mino Azy , indrindra eo amin’ny famelezan’ireo fahavalon’ Andriamanitra . I Babylona dia ilazana ireo tsy mino sy manohitra ny Tenin’ Andriamanitra ary mihevitena ho matanjaka ka miavona . Teny fitarihana namana hiala tsy ho naman’ny tsy mino sy manao ratsy no hita eto. Mifampitaona amin’ny tsara hatrany ny mino rehetra ary mifanohana amin’ny fanompoana .
2-Mitory ny asan’ny Tompo
Vita soratra aoa ampon’ny mino ny asamtpamonjena nataon’i Jesoa Kristy . Tsy mety mangina tsy hanambara izany Izy , hany ka lazainy izay hahatonga ny olona rehetra hanana finoana Azy sy handray ny famonjena nataony tahaka ny hita eto . Toe-panahin’ny kristiana rehetra ny mazoto manambara ny asan’ny Tompo amin’ny fiainany isanandro .
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fitaomanao namana hanao ny asan’ Andriamanitra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM