Andao hibebaka ry Malagasy !

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Martsa 2022

Lioka 21. 20 – 24

Lioka 21. 20 – 24
20 Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. 21 Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23 Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity. 24 Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.

Andao hibebaka ry Malagasy !

Fanontaniana
Tsy efa tsapantsika ve efa miha- very ny fiandrianampirenentsika ankehitriny , inona àry izany no tokony hataon’ny Malagasy ?

Sampana Sekoly EKOLY Alahady FOIBE FJKM