andalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Oktobra 2018

andalinana ny Bokin'i Josoa

JOSOA 10.12-27
12 Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna* eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina] 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona* koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara** va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [*Heb. mangina][**Jasara = Ilay mahitsy] 14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely. 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala. 16 Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda. 17 Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy. 18 Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy; 19 fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo. 20 Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda, 21 dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy* tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra ny lelany] 22 Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankat? amiko. 23 Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona. 24 Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo. 25 Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo. 26 Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro. 27 Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.

andalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 10.12-27

1-Tsy nihetsika ny masoandro

Fantatsika ankehitriny fa ny  masoandro dia tsy mihetsika fa ny tany no mihodina manodidina ny masoandro . Ko izao no hevitry ny voalaza eto: tsy nihetsika iray andro maninjitra ny  tany . Tena porofoin’ny Tompo mihitsy ny maha-Mpahary Azy mifehy izao tontolo izao , fa mariho koa ny herin’ny vavaka. Nivavaka i Josoa dia ny tany manontolo no nitsahatra tsy nihodina. Aza kamo mivavaka.

2-Ratsy fiafara ny fahavalon’Andriamanitra(and 16-27)

Ny zava-nanjo ireo mpanjaka dimy dia tonga anatra hoa an’ny hafa ka « tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ny Zanak’ Israely  intsony« (and21). Ny zava-nanjo azy ireo dia loharanona toky ho an’ny Zanak’Israely kosa ny  amin’ny handringanan’ny Tompo ny fahavalo rehetra mbola hiadiany amin’ny ho avy (and243-25).Fahafatesana mahatsiravina  no niafaran’ireo mpanjaka dimy niady tamin’ny Zanak’ Israely ireo (and26-27).Fanontaniana ho ahy sy anao : mahay maka lesona amin’ny manjo ny hafa ve isika ? Manaiky hiandany marina amin’ny Tompo ve isika ? Vonona handray ny toky omen’ny Tompo ve isika?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra